| Entry | 1 Mpikororoka ampombo |
| Elementary words | 2 mpikororoka, 3 ampombo |
| Part of speech | 4 name (poem title) [Full list] |
| Vocabulary | 5 Literature: poems |
| Author |
6 Rajaobelison Samuël |
| Full text |
7 8 Milina mpitoto injao migoboka ao, 9 Ampombo be miavosa an-tsisin'ny tamboho; 10 Indro vehivavy hatsatra sy lao 11 Mitondra am-babena zaza miamboho. 12 Rehefa feno ampombo ny gony kely nentiny, 13 Nataony an-doloha, ny masony efa lalina! 14 Hokororohina io sitrany hisy ventiny, 15 Na kely ihany aza hiantoka ny alina! 16 Etsy ambody hazo ny zaza mitomany, 17 Ditsoky ny ampombo ka mangarom-bava; 18 Hontsa ho'aho ilay reny raha mahita izany, 19 Ka mody velon-kira miantsa dridralava 20 Tapaka kapoaka!… lohavary mena! 21 Izay no kororoka namonoana ny andro! 22 Nitsangana Ingory hamonjy ny babena, 23 Dia lasa Ramatoa hanokona nahandro. |
| Updated on 2025/11/17 |
|